Hankany amin'ny vontoatiny

Zavamaneno velezina

Avy amin'i Wikipedia
Image
Zavamaneno velezina ampiasaina amin' ny mozika jazz

Ny zavamaneno velezina dia zavamaneno mamoaka feo amin' ny alalan' ny fikapohana na fikasohana ny fonony na akora maneno nanamboarana azy. Ny zavamaneno velezina angamba no zavamaneno voalohany indrindra teo amin' ny Tantara ary anisan' ny manatevina ny ankamaroan' ny karazana mozika. Izy ireo tokoa dia hita hatramin' ny mozika nentim-paharazana ka hatramin' ny mozika klasika.

Raha ao amin' ny tarika iray (rock, folk, pop, jazz, sns) dia tsy mampiasa afa-tsy karazany vitsivitsy (amponga, kipantsona) ny mpively, fa manana ny toerany manokana ao amin' ny ôrkesitra sinfônika kosa izy, noho ny hamaroan' ny karazana zavamaneno lalaovina miaraka (mila mpively maromaro sanganasa sasany, noho izany). Raha fantatra amin' ny maha fameno manampy amin' ny gadona ireo zavamaniry ireo amin' ny ankapobeny, dia indraindray izy ireo no avela holalaovina manokana ka asongadina mihoatra ny zavamaneno hafa ao amin' ny sanganasan' i Béla Bartók (Music for Strings, Percussion and Celesta., 1963) sy ny an' i Edgard Varèse (Ionisation, 1929 - 1931).

Na dia teny mahazatra indrindra hanondroana zavamaneno sady hampifandraisana azy ireo amin' ny mpilalao azy aza ny hoe "zavamaneno velezina", dia tsy sokajy manokana ao anatin' ny rafi-panasokajiana ny zavamaneno, araka ny nofaritan' ny sehatry ny siansa ao amin' ny ôrganôlôjia. Ny zavamaneno velezina dia mety ho anisan' ny kilasin' ny idiôfônina (ohatra ny ambio, atranatrana, lakolosy, kipantsona sasany, sns), kilasin' ny membranôfônina (ohatra, amponga, langoroany, ampongatapaka, sns), kilasin' ny aerôfônina (ohatra, kiririoka) ary kilasin' ny kôrdôfônina (ohatra, pianô).

Anisan' ny zavamaneno velezina tsara indrindra ny tenan' olombelona: sady membranôfônina no kôrdôfônina ary idiôfônina izy io. I Bobby McFerrin dia kalaza amin' ny fampiasana ny vatany ho zavamaneno velezina izay manampy ny feony. Hatramin' ny taompolo 1800 dia nanomboka nampiasaina imbetsaka tamin' ny mozikam-bahoaka ny tehaka. Ny fanapoahana ankibe sy rantsan-tanana hafa, ny fikapohana mivamaivana na fandonana ny tany amin' ny tongotra, ary ny tehaka amin' ny fe dia ilaina koa mba hanasongadinana ny gadona. Manao kiraro fingotra - izay akapoka amin' ny tany na kapohina amin' ny tanany ho lasa mozika - ny mpandihy amin' ny fomba fandihy Gumboot.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Idiôfônina

[hanova | hanova ny fango]
Image
Telozoro

Ny idiôfônina dia zavamaneno velezina ka ny fikapohana ny vatany mihitsy no mamoaka ny feo, na amin' ny fitaovana fanampny ivelany (toy ny fively amponga) na amin' ny ampahany hafa amin' ila zavamaneno. Ny feo avoakany dia mety ho tsy voafaritra (oh: ny telozoro) na voafaritra. Ny zavamaneno sasany amin' ity sokajy ity dia misy kitendry na lamelôfônina, izay ahitana andalana hazo na vy nofisahina manify izay kapohina amin' ny fively, toy ny ksilôfônina (na atranatrana), ny marimba, na ny amponga vy.

Membranôfônina

[hanova | hanova ny fango]
Image
Amponga beso

Ny fivelezana amin' ny hazo kely fikapohana na amin' ny tanana ny hoditra (hodi-biby na hoditra sentetika), izay nohenjanina eo ambonin' ny vatan' amponga, dia miteraka feo. Miankina amin' ny haben' ny vatan' amponga (ohatra, ny amponga beso dia mamoaka feo ambany kokoa noho ny amponga maivana) sy ny fihenjanan' ny hoditra eny aminy. Anisan' ny membranôfônina ny amponga, ny amponga beso, ary ny ampongatapaka.

Kôrdôfônina

[hanova | hanova ny fango]
Image
Lehilahy milalo simbaloma

Ny zavamaneno misy tadiny sasany (kôrdôfônina) dia anisan' ny zavamaneno velezina satria kapohina manaraka gadona ny tadiny ary mamoaka feo mifanaraka amin' ny zavamaneno ampiarahina aminy. Anisan' izany ny simbaloma sy ny klavikôrda ary ny pianô.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]